Hita amin'ny fiainana eny tokoa fa maro ny olona nomena fahafahana maro, saingy vitsy tamin'ireny ihany no nanaraotra ireny fahafahana nisokatra ireny.
Raha mijery ny Baiboly manontolo koa isika dia hita fa misy karazan'olona tao nantsoina, fa vitsy no voafidy taty aoriana. Nahoana moa no vitsy no voafidy? Io no fanontaniana ngeza indrindra hiezahana ho valiana ato anatin'ity boky ity. Rehefa voavakinao ity boky tsy manam-paharoa ity, izay nosoratan'ilay mpanoratra, be mpividy indrindra ny bokiny, dia Dag Heward-Mills, dia ho hitanao miverimberina ao ireo olona maro nantsoina nefa vitsy no voafidy. Enga anie tsy raisinao tsotsotra ilay antso ary hiasa mafy ianao ho iray amin'ireo voafidy.
Dieser Download kann aus rechtlichen Gründen nur mit Rechnungsadresse in A, B, CY, CZ, D, DK, EW, E, FIN, F, GR, H, IRL, I, LT, L, LR, M, NL, PL, P, R, S, SLO, SK ausgeliefert werden.








